MPIANAKA MATY VOKATRY NY HAINTRANO

Vokatry ny fampiasana jiro solitany ?


  • Alakamisy 06 Febroary 2025

Mbola mijanona ho tombana ihany hatreto ny antony nahatonga ilay haintrano tetsy amin’ny 67 ha

ny alin’ny Sabotsy 01 Febroary teo ka nahafaty Renim-pianakaviana mananontena iray 27 taona niaraka tamin’ny zanany vavy kely vao 18 volana. Tao ireo nilaza fa nampiasa labozia izy mianaka ka resin-tory ary dia nihitatra ny afo. Tao amin’izy ireo mantsy no niainga izany raha tsiahivina. Tao ihany koa ireo niteny fa nampiasa jiro solitany izy ireo….Ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro ny filaminana ihany anefa no tena hanamarina izany. Tsiahivina moa fa ny fokonolona no namoaka azy mianaka ireto tao an-tokantranony. Efa maty anefa ilay Renim-pianakaviana raha mbola nialana nenina kosa ilay zanany saingy tsy tana ihany koa ny ainy ny ampitson’iny izany hoe : ny Alahady 02 Febroary lasa teo. Efa nalevina tamin’ny Alatsinainy lasa teo izy mianaka kely raha mbola mitohy kosa ny fanadihadiana mikasika ity tranga mampalahelo ity.
Pati
Legende : Kila forehitra tahaka izao ny tokantranon’izy mianakakely !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT