Actualités

Mpianadahy iray tampo Nividy omby tamin'ny vola sandoka


  • Alatsinainy 18 Aogositra 2014

Saron’ny mpitandro ny filaminana tany Ambohibary Sambaina ireo olona mpanaparitaka vola sandoka. Ravim-bola 10.000Ar nitentina 200.000 Ariary no tratra tany amin’izy ireo.

Nividianana omby tany Vananinony Atsimo ny alatsinainy 11 aogositra ireo vola ireo ka mpianadahy iray tampo no nahavita izany. Rehefa niantsena ilay nivarotra omby vao nahafantatra fa tsy izy ny vola tany aminy. Nampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany izy ireo ka tamin’ny alalan’ilay taratasy nifampivarotana no nikarohana ireo olon-dratsy, izay noraisim-potsiny tao Antsampandrano, Ambohimandroso-Ambohibary nisy azy ny alakamisy 14 aogositra ary natolotra ny fampanoavana ny sabotsy 16 aogositra lasa teo ary notanana am-ponja avy hatrany. Efa nisy ihany koa ny vola sandoka tratra tany amin’ny Distrikan’i Mandoto vao tsy ela akory izay, ary saika amin’ireny tsenan’omby ireny indray izao no iparitahany ao Vakinankaratra ao.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT