Ny alarobia alina teo no nisy namono ny mpiambina ny Magro Mahajanga. Raha ny fitantaran’ireo olona manodidina dia nisy olona nanary fako teo amin’ny faritra misy ny toerana fivorian’ny zanak’i Dada ao Mahajanga ity ny alin’ny alarobia......
Noraran’ilay mpiambina tsy hanary fako eo izy. Totohondry sy vono no valiny. Tsy afa-namaly azy anefa ilay mpiambina fa nisy zava-maranitra teny amin’ny tanan’ilay mpanary fako. Tetsy an-daniny, nitazana fotsiny ny mpiambina iray teo ampitany. Niantso vonjy ny olona iray izay nahita ny fandehan’ny raharaha ka nitondra an’ilay mpiambina teny amin’ny hopitaly Androva io alina io ihany. Tsy tonga teny amin’ny toeram-pitsaboana akory dia tapitra ny ainy. Araka ny fanazavana azo hatrany dia mety misy lonilony teo amin’ny roa tonta satria dia matetika ity farany no manary ny fakony amin’izay itiavany azy. Nentina teny amin’ny mpitandro ny filaminana avy hatrany ilay mpimbina nanatri-maso mba alaina am-bavany tamin’ny fahitany ny zava-nisy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.