Tao amina hotely iray any Toamasina, tsy hita ny finday sy ny kitapo nipetraka teo amin'ny «table de nuit»
na ny latabatra manamorom-pandriana akaikin'ny varavarankely, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Teo anelanelan'ny tamin'ny 2 ora hatramin'ny 4 ora maraina dia efa tafavoaka teo amin'ny varavarankely akaikin'ny «grille de protection», izany hoe ilay makarakara vy miaro ny varavarankely iny, ilay kitapo no hita. Efa tsy nisy vola intsony tao anatiny. Tany amin'ny rihana faharoa nefa no nisy io efitra io. Tsy mety mihidy ilay «coulissante» na varavarana misosa ka nakatona fotsiny ary nidiana ny «rideaux» na ridao. Ahiana ho nanao fonoka ireo mpangalatra satria tena akaikin'ny ondana no nidiran'ny tanany nefa tsy heno. Voalaza fa nolazain'ny tompon'ny hotely ho mamorona izy ireo. Nampiany koa hoe ireo samy mpanjifa ihany no mifangalatra. Efa nandeha kosa ny fitoriana sy ny fanadihadiana, raha ny fanazavana voaray hatrany. Vola saika hanaovana fialantsasatra sy finday moa izao very izao, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.