Hotanterahina anio tontolo andro manerana ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara ny fanadinam-panjakana voalohany CEPE.....
Ny hita dia efa vonona sy mipetrapetraka avokoa ireo pitsopitsony ara-teknika rehetra toy ny laza adina, ny efitrano hanaovana fanadinana izay efa misy ny laharan’ny ankizy tsirairay. Manodidina ny 487.131 ny isan’ny mpiadina manerana ny Nosy ary hiparitaka amina foibem-panadinana miisa 1663. Mahatratra 83 565 ny kandida ao amin’ny Faritra Analamanga, 2 549 raha ho an’ny Cisco Vatomandry. Tahaka ny mahazatra dia ny taranja kajy no hanombohana azy ary ny tantara ny mamarana azy. Ho an-dRaobelina Mampionona anisan’ireo mpiadina dia nanambara izy fa ny taranja kajy sy ny alaolana no somary manahirana kely azy fa na izany aza dia efa vonona tanteraka izy, ny ray aman-dreny ihany koa manohana azy tanteraka. Etsy an-kilany, ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny fanabeazana fototra dia nanafatra ireo ray aman-dreny ny mba tsy ho tara amin’ny fiantsoana anarana, tsy hanadino ihany koa ny taratasy fiantsoana, indrindra ny mba hampanao mafana ny zanany satria ny andro mangatsiaka. Marihina fa 6 taona ny zandriny amin’ireo mpiadina ary 24 taona ny zokiny indrindra. Tombanana ho amin’ny 25 jolay kosa no hivaly ny fanadinana. Mirary soa ho an’ny ankizy rehetra ny gazety tia Tanindrazana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.