MPANOME RA AN-TSITRAPO

Olona 3 amin’ny 1.000 sisa ny eto an-dRenivohitra


  • Talata 26 Desambra 2023

Lasa malaina manome ra an-tsitrapo ny ankamaroan’ny Malagasy.

Raha olona 1 amin’ny 100 mantsy no tokony hanao izany dia lasa 3 amin’ny 1.000 isa sisa. Mihena izaitsizy ny isan’ireo mpanome ra noho izany. Mahatratra 160 paosy isan’andro anefa ny ra tsy maintsy ilaina eny anivon’ny hopitaly eto an-drenivohitra ka ankoatra ireo marary mafy mila fandidiana dia ireo vehivavy saro-piterahana no tena mandany ny ra eny anivon’ny hopitaly. Manoloana io toe-javatra io dia tonga nanome ra maimaim-poana tetsy amin’ny ivon-toerana mifandraika amin’izany ireo mpino eo anivon’ny fiangonana FJKM Atsimon’ny Mahamasina sy ny Mpitandrina ao aminy. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-10 taona niarahan’ny roa tonta niasa ny hetsika. Tsiahivina moa fa isaky ny 3 volana no afaka manome ra ny lehilahy iray raha isaky ny 4 volana kosa ny vehivavy. Tsy maintsy mihoatra ny 50 kg kosa anefa ny lanjan’izy ireo, ary salama tsara. Tsy mampinono, tsy tonga fadim-bolana na koa bevohoka ny vehivavy iray afaka manome ra raha tsiahivina.
Pati
Legende : Mahasalama hatrany ny manome ra hanavotana ny mpiara-belona !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Savorovoro
  • Zoma 09 Oktobra 2026

any anaty Minisitera sasany

  • VOVONANA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

TANTANA

  • FITANTANAN
  • Zoma 09 Oktobra 2026

-DRAHARAHAM-PANJAKANA

  • FAKAN-KEVITRA
  • Zoma 09 Oktobra 2026

NASIONALY HO AN’NY VEHIVAVY

  • Actualités
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Salon international de l’Habitat faha-27

  • Fifehezana
  • Zoma 09 Oktobra 2026

ny mekanika fiara

Hijery ny tohiny
FTT