Teboka lehibe noheverin’ny avy eo anivon’ny mpanolontsain’ny tanànan’Antananarivo avy amin’ny vovonana politika Komba ho nodinihina nandritry ny filankevitra monisipaly omaly ny fandraisana ny fanamarihana nataon’izy
ireo mikasika ny vokatra tsy kojakoja ara-pahasalamana nolavina tamin’ny tetibola voalohany sy tetibola fanampiny sady tsy nasiam-panitsiana. Nihena koa ny fanarenana na “rehabilitation” noresahanay hatrizay, hoy izy ireo. Ny fiainana an-davan’andron’ny olona mihitsy no tangosan’ny ben’ny tanana vola isan’andro toy ny sosialy, ny fahasalamana, ny trano sy fanorenana. Manokatra lalana ho amin’ny kolikoly izany, hoy izy ireo. Araka ny taratasy nataonay ny febroary lasa teo dia avoahay daholo ny fifanarahana rehetra fa tsy hanao mizana tsindrian’ila ka ny sasany kitihana moa ny sasany hodian-tsy hita, hoy hatrany ny Komba, mikasika ny hofan’ny trano lehibe na “villa” sy “appartement” an’ny CUA. Tsy nihena ny vinam-pandanian’ny CUA na dia teo aza ny fikatsoan’ny sehatra samihafa noho ny hahamehana ara-pahasalamana. Niditra araka ny tokony ho izy tokoa ve anefa, hoy izy ireo, ny vola nandritra izay 5 volana izay ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.