Niakatra fitsarana omaly Alakamisy 11 Aprily raha ny loharanom-baovao azo ilay raharaha
fanolanana zazavavy kely vao 8 taona monja voalaza fa nataona lehilahy iray 17 taona tao Tolohomanga, Fokontany Bedihy, kaominina sy distrikan’Ambatofinandrahana. Raha tsiahivina kely ny tantara dia nandritra ny vakansy lehibe farany teo no nisehoan’ity trangan-javatra mampalahelo ity. Nanao vakansy tany Ambatofinandrahana ilay zaza raha ny fanazavan’ireo fianakaviany. Tany izy no niharan’io fanolanana io izay nanimba ny fahadiovany tanteraka. Any Ambositra kosa izy no tena mipetraka. Nambaran’ireo fianakaviany moa fa nisy porofo mazava avy tamin’ny dokotera nanamarina fa tena voaolana marina ilay zaza. Mbola tadidin’ilay zaza rahateo hoy ny fianakaviany hatrany ny akanjon’ilay lehilahy nanolana azy. Very fanahy mbola velona tanteraka ireo fianakavian’ilay tsy manan-tsiny noho izany. Miantso ny Fitsarana any an-toerana mba hamerina hijery manokana ny antontan-taratasy mikasika ity fanolanana nihatra tamin-janany ity izy ireo.
Pati
Legende : Ity ilay taratasy avy amin’ny dokotera manamarina fa tena voaolana tokoa ilay zaza tsy manan-tsiny !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.