Actualités

Mpanjono vehivavy amin’ny facebook Endahiny sy aolany izay tratrany…


  • Alakamisy 18 Jona 2020

Tovolahy iray 26 taona no voasambotry ny sampan-draharaha miady amin'ny resaka Cybercriminalité teo anivon'ny Polisim-pirenena teny Ankadikely Ilafy ny 15 jona teo noho ny resaka fanendahana, fandrahonana ho faty amin'ny antsy ary fanolanana

 

 

 

. Manana kaonty facebook maromaro ity tovolahy ity ary sarina lehilahy mihaja tsara tarehy ranjanana izay alainy any anaty kaonty facebook fananan'olona no entiny manjono ireo tovovavy na vehivavy kendreny. Resaka fitiavana na resaka fiaraha-miasa no entiny handresena lahatra azy ireny ary rehefa mipetraka ny fifampitokisana dia mangataka fihaonana izy ka rehefa tonga io fotoana izay tokony hihaonana io dia milaza tsy afaka amin'ny ora farany izy ka ny mpanampiny no alefany. Toerana mangingiana no hitarihany lalana ireo vehivavy tratrany ka dia mihafara amin'ny fanendahana sy fanolanana hatrany izany. Marihana fa nanomboka ny volana jona 2019 no efa nikarohana io tovolahy io ary miisa efatra no fantatra fa efa niharan'ny asa ratsy ka tonga nametraka fitoriana. Mbola misy vehivavy hafa ihany koa niharan'izao herisetra sy fanolanana izao saingy mbola tsy nametraka fitoriana izy ireny. Manao antso avo ny avy ao amin'ny sampan-draharaha misahana ny ady amin'ny Cybercriminalite mba hametraka fitoriana mahakasika izany asa ratsiny izany. Anisany nitory azy ihany koa moa ilay lehilahy izay tompona sary nampiasainy. Ny anaran'ireo kaonty fampiasany entiny hanjonoana ireo vehivavy ireo moa ireto manaraka ireto : Tojovalera, Rado Rafetrason, Jerry Jerry Jerry. Omaly no niakatra fitsarana ny raharaha.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT