Mpanjono 164 voasambotra tany Seychelles

Miandry ny fotoam-pitsarana azy, ambenana ao Antsiranana


  • Talata 20 Febroary 2024

Folo andro lasa teo izay no nahasamborana ireo teratany Malagasy miisa 164

voalaza fa nanjono nanjono dingadingana na « concombre de mer » tany tany amin'ny fari-dranomasin'i Seychelles, ka nosamborina. Efa vita ny fakàna am-bava sy ny famotorana azy ireo. Nosamborina izy ireo ary nogiazana ny sambo miisa 6, raha toa ka nalefa nody aty Madagasikara ireto mpanjono ireto. Misy ny fifanarahana teo amin'i Seychelles sy i Madagasikara milaza fa averina any amin'ny tany niaviany ny mpanjono tratra any amin'ny tany anjonoany tsy nahazoana alalana, ka nahafahana nampody azy ireo. Milaza ny Minisiteran’ny jono sy ny toekarena manga, fa efa eo am-pelantanan’ny fitsarana ny raharaha. Tazonina ao amin’ny ''Gymnase couvert'' ao Antsiranana avokoa noho izany ireo olona 164, mandrapahatongan' ny fitsarana. Ny Fanjakana malagasy no miantoka ny sakafo sy ny momba azy ireo, anatin'ny fanajana tanteraka ny zon'olombelona. Mpitandro filaminana miisa 70 kosa no miambina azy ireo, raha ny nambaran'ny minisitra misahana ny Jono sy ny Toekarena Manga. Ankoatra izay, nambara fa mitohy ny fanadihadiana mikasika ny tomponantoka rehetra nahafahan'izy ireo nanao izany, ka ny Fitsarana irery ihany no hanambara izany. Andrasana ny tohiny !
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT