Hanampy ireo mpanjifan地y JK Group amin地y fikarakarana ny antontan-taratasiny hahafahana mitory ity orinasa nivoy ny tetikasa 登rdinateur pour tous� ity ny fikambanana mpiaro ny zon地y mpanjifa tarihin-dRabetsara Lita raha toa ka tonga amin段zany ny raharaha. Nanao hetsika moa iretsy voalohany ny faran地y herinandro teo taorian地y fampanantenana nataon地y JK Group ny amin地y tsy maintsy hanomezany solosaina marika
HP ho an’ireo olona izay nahaloa vola feno. Ny faran’ny volana jolay lasa teo no tokony nanomezana izany nefa tsy tanteraka. Nambaran-dRabetsara Lita fa zava-dehibe rehefa mahay mihetsika sy mivondrona ny olona, indrindra rehefa mahakasika ny fiainan-tokantrano ny zava-mitranga. Anisan’ny andraikitra horaisiny ny fijerena akaiky ny vola efa voaloan’ireo olona ireo tamin’ny JK Group ary handresy lahatra ity farany mba handoa izany tsikelikely rehefa tsy azo antenaina intsony ilay solosaina. Raha sanatria ka tsy tanteraka anefa io, hoy ihany Rabetsara Lita dia hanampy amin’ny fanaraha-maso ny antontan-taratasy mankeny amin’ny Fitsarana ny tenany mba hampazava ny raharaha.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.