Ela nitoratorahana ity tovolahy vao herotrerony mpangarom-paosy tao amin’ny tsenan’Ambatondrazaka ka sendra ny nahay azy. Andro mazava be izao izy no nangarona ny paosin’ny mpiantsena iray
Lasany ny vola 20.000 ariary sy ny finday. Nisy nahatsikaritra anefa izy ka voara-maso. Izy andeha hamerina fanindroany ny asa ratsiny iny no sarona ka dia noraisim-potsiny. Betsaka tamin’ireo olona nanambotra azy no nilaza fa ilehio izany no mpandidy ny poketranay sy ny paosinay. Nalain’ny fokonolona ny hareza teny an-tanany ka iny no nandrasany ny tanany nialoha nitondrana azy teny amin’ny mpitandro ny filaminana. Saika niitatra zavatra hafa mihitsy moa ny hatezeram-bahoaka raha tsy haingana ny fandraisana andraikitry ny mpitandro ny filaminana. Marihina fa tsy mety foana ny mpangarom-paosy sy ny mpanao halabotry any Ambatondrazaka na dia efa misy aza ny ezaka ataon’ny mpitandro ny filaminana ho fanafoanana azy ireny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.