Mpanentana ara-panatanjahantena ao Frantsa

Nodimandry Françis Rakotovao, teratany Malagasy


  • Alatsinainy 17 Jona 2024

Nodimandry teo amin’ny faha 35 taonany, ny faran’ny herinandro teo,

ny malagasy mpanentana ara-panatanjahantena ao Frantsa, Françis Rakotovao. Takaitra tamin’ny lozam-pifamoivoizana teny ambony bisikileta moa no voalaza fa namotika ny tsy fahasalamany ary nitarika izao fahafatesany izao. Mpitantara baolina ofisialy eny an-kianja ao amin’ny klioban’ny Le Havre Athlétic Club, divizionina voalohany ao Frantsa, hatramin’ny taona 2022 moa no tena asany na irony antsoina hoe «speaker» irony. Nilaza ity klioban’ny HAC ity fa tena olon’ny fiarahamonina sy tompon’ny tsiky isan’andro raha i Françis Rakotovao. Nanam-piniavana hatrany nanaraka ny klioba ary lasa mpanohana mahafatra-po mihitsy. Mirary fiononana feno ho an’ireo akaiky azy rehetra sy ny fianakaviany, noho izany, ny gazety Tia tanindrazana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT