Tra-tehaky ny Polisin’ny Boriborintany fahefatra etsy Isotry teo am-pangalarana sakaosina teratany vahiny tao anaty fiarany teny Ambalavao Isotry akaikin’ny Assurance MAMA i Pa ny zoma hariva teo
Fiara mijanona teo amin’ny sisin-dalana no nohararaotiny. Mody kapohiny ny vodin’ilay fiara ka rehefa mitodika mijery izany ilay tompony avy hatrany dia sitoniny ilay sakaosy teo anilan’ilay mpamily, dia iny izy no nitsoaka saingy nisy Polisy manao fanamina sivily nanao fisafoana teny an-toerana ka dia noraisim-potsiny i Pa. Solosaina fitondra mandehandeha no tao anatin’ilay sakaosy ary efa voarain’ilay tompony. Niaiky ny heloka vitany i Pa. Ny sabotsy ihany izy dia natolotra ny fampanoavana ary miandry fitsarana any am-ponja.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.