Mpandroaka omby 8 lahy niainga tany Maintirano sy Tsiroanomandidy saika ho any Mananjary sy Manakara no nifamono rehefa tonga tao Ranomainty Vohibe, Kaominina Tsarazaza
Distrikan’i Fandriana ny sabotsy 5 jolay lasa teo. Notetitetehin’ireo niaraka taminy ny mpiraoka omby roalahy sady manana omby 13 amin’ny 18 nentin’izy ireo. Hitan’ny Fokonolona ny razana ny ampitson’io na dia nafenina aza ka tonga ny zandary nanao famotorana. Saron’ny zandary avy ao Fandriana teo anelanelan’i Mahazoarivo sy Fiadanana Distrikan’i Fandriana ireo mpandroaka omby enin-dahy nahavanon-doza ny alin’ny alatsinainy 7 jolay lasa teo. Ny roalahy tamin’izy ireo no tena namono fa mpiray tsikombakomba ny efa-dahy hafa. Mba hahafahan’ireo nahavanon-doza hahazo ireo omby rehetra noroahiny ireo no antony namonoana azy mirahalahy niaraka taminy. Avy any Ampasimanjeva Manakara ireo lehilahy maty ireo raha avy any Mananjary kosa ireto mpamono olona. Natolotry ny zandary ao Fandriana an’ny fampanoavana Ambositra omaly zoma 11 jolay izy enin-dahy ireo ary notanana am-ponja vonjimaika.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.