Ry miseho misolantsolana,
Ry miseho manendry tena,
Fa hitondra vahaolana
Hampihavanam –pirenena.
Ianao anie « mpandray anjara »
Tamin ‘iny lalana iny ,
Ka hivadika ho « mpitsara »
Nony fe ankehitriny ?
Sao tsy rariny sakaiza
Izato tetikao marivo,
Fa tsy hisy n’aiza n’aiza
Ny toy izany ka tsahivo .
…Tsy nalazo ny nihinanana,
Araka ny feo niely,
Dia efa ratsy fihavanana,
Ianao sy ‘retsy fozakely.
Ka nahoana no hitonona
Ho mpitari-pampihavanana ?
Tena misy anie ‘reo vonona,
Ka nahoana no sakanana ?
‘Zany indray no politika :
Ilay manao ny tsy fanao ?
Potika no nosintsika
Ka mialà raha toy izao !
SEDERA RAVALISON (23 -8-14)
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.