Nampahatsiahy ny fomba fiasan’ny minisitry ny varotra sy fanjifana ankehitriny, Chabani Nourdine,
fony izy mbola minisitry ny indostria hatrany ny fomba fiasany ankehitriny dia ilay manao teny fampitandremana isak’izay misy tranga manohintohina ny departemanta iadidiany. Nolazainy fa tsy azo ekena, ohatra, tamin’ny fotoan’androny ny fisian’ireo orinasa mampidi-doza tsy ara-dalàna toy ilay orinasa mpamokatra Vatoaratra teny Talatamaty raha toa ka nitrangana fipoahana. Anisany ireo orinasa vahiny voalazany fa tsy nanaja ny zon’ny mpiasa tamin’izany. Mandra-pialany teo amin’ny toerana maha minisitry ny indostria azy anefa dia nanjavona tanteraka ny tohin’ireo ary tsy hita veroka ilay fanaraha-maso sy sivana natao. Omaly indray dia nampitandrina ireo mpandraharaha mpanafim-bary nolazainy fa efa fantatra ny tenany saingy tsy misy aloha hatreto ny fepetra raisina ho an’ireo izay tratra. Nampahafantarin’ny minisitra tetsy amin’ny biraony Ambohidahy omaly fa efa tonga etsy Anosibe amin’izao ny vary milanja 7000 taonina izay hozaraina amin’ity herinandro ity ary nihoatra ny 20.000 taonina izay novinaina ho isam-bolana no ho avy. Tokony ho efa 70.000 Ariary kosa ny gony ary 1400 Ariary amin’izay ny kilao eny an-tsena.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.