MPANDORO TANETY SY MPANDORO ALA

Tsy afaka mangataka fahafahana intsony


  • Alatsinainy 20 Janoary 2025

Tsy hisy indrafo ho an’ireo mpandoro tanety sy mpandoro ala ary tsy hahazo fahafahana vonjimaika sy fahafahana

arahina fepetra ireo izay nanao izany. Mitovy amin’ireo mpamono olona ihany izy ka tsy afaka hangataka fahafahana intsony. Io no nambaran’ny Ministry ny Fitsarana nandritra ny fambolen-kazo notanterahin’izy ireo manodidina ny fonjaben’i Tsiafahy ny Sabotsy 17 Janoary teo. Fantatra mantsy fa maty avokoa ny 26%-n’ireo hazo novolena teny an-toerana tamin’ny taona 2022 sy 2024. Vokatry ny fandoroana tanety sy ny hetraketraka nataon’ny hafa no voalaza ho antony mahatonga izany. Zana-kazo miisa 5.000 fototra no novolen’izy ireo noho izany ho solon’ireo maty. Marihana fa ezaka lehibe no natao tamin’io Sabotsy io ho fandrakofana indray ireo tany tratra ny doro ala tamin’ny Septambra 2024 lasa teo, izay nahamaizana ireo hazo novolena tamin'ny taom-pambolen-kazo 2022 sy 2024. Hazo miisa 5.000 fototra no novolena tamin’izany ka 1.342 sisa no tsy may tamin’zany, raha tsiahivina.Hisy fepetra ho raisina araka izany ho fisorohana sy fiarovana ireo hazo novolena ka ho hasiana aroafo sy ho hamafisina ny fanarahamaso.
Pati
Legende : Nandritra ny fambolen-kazo natao tamin’ny Sabotsy teo !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT