Mpanaramaso ny fanadinana bakalorea miisa 60 no tsy tonga tetsy amin’ny foibem-panadinana lisea Rabearivelo Analakely omaly
Raha ny fanazavana nomen-dRtoa Bodo Ramavoarisoa lehiben’ny foibem-panadinana teny an-toerana dia tsy maintsy nitady vahaolona vonjimaika izy ireo manoloana ity tranga ity. Voatery nahena ny isan’ny mpiambina isaky ny efitra, natao ho roa avy raha tokony ho telo. Misy efitra 51 ao amin’ity foibem-panadinana ity ary tokony ho mpiambina 178 no miasa ao. Nohamafisin’ity tompon’andraikitra ity fa tsy mahafa-po ireto mpiambina ireto ny vola homena azy ka nihemotra tamin’ny fotoana farany izy ireo. Hanomboka rahampitso alarobia ny fitsarana ny taratasim-panadinana dingana voalohany ho an’ny sokajy teknika, raha amin’ny alatsinainy ny an’ny sokajy ankapobeny. Vinavinaina hivoaka amin’ny 20 septambra any kosa ny voka-panadinana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.