Actualités

Mpanara-dia ny Pr Zafy Albert Raikitra sahady ny rombo ?


  • Alatsinainy 30 Oktobra 2017

Miteraka resabe ankehitriny ny raharaha famarotana ny tany misy ny “Villa Elisabeth” nonenan’ny Pr Zafy Albert sy ny fianakaviany.

  Na ny olona manodidina azy aza tsy mitovy hevitra. Ny vady aman-janany namoaka fanambarana fa tsy misy afaka miteny amin’ny anaran’ny Pr Zafy Albert ankoatra ireo ankohonany, ary ny ivelan’izany dia i Serge Zafimahova. Nanambara ihany koa i Dr Joseph Ramiandrisoa fa tokony hiandry 15 andro aloha vao miresaka ity raharaha ity satria mbola ao anatin’ny fisaonana tanteraka ny fianakaviana sy mpiara-dia aminy. Hisy ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety hataon’ny mpanaradia ny ¨Pr Zafy Albert, ahitana an-dry Pasitera Edouard Tsarahame sy ny minisitra teo aloha Tabera Randriamanantsoa ao amin’ny Hotely Colbert Antaninarenina anio. Ny raharaha famarotana tany no tena horesahina ary mety hisy ny fanambarana goavana hataon’izy ireo. Tsy mitovy hevitra sy toa mifanditra noho ity raharaha ity ireo olona akaiky ny filoha teo aloha. Ho raikitra sahady ve ny lonilony ary samy hiady ho lohany ireo mpiara-dia tamin’ny Pr Zafy Albert noho ny tsy maha eo azy intsony ? Efa nisy mantsy ny toe-javatra mitovitovy amin’izao teto amin’ny firenena, toy ny niafaran’ny Antoko Leader Fanilo. Nikorontana sy niady ho lohany ireo samy lohandohan’ny mpisorona vao nodimandry Herizo Razafimahaleo ka dia niparasaka tanteraka ny antoko.

Andinindininy tamin’ny famarotana ilay tany

Namidy 1000 ar/m2 tamin' ny orinasa Madaterrain 0321 ny tany misy ny “Villa Elisabeth” mitondra ny anarana "Saint Antoine IV", mirefy 01 Ha 18a 35Ca, TN 16.684-A eny Amboniloha Antananarivo. 11 835 000Ar no namarotana io tanàna goavana be nisy ny trano fonenan' ny filoha teo aloha ity, araka ny taratasy natao ny 24 janoary 2014, izany hoe iray andro mialoha ny nandraisan' ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina ny fitondrana. Efa voaloa avokoa teny amin' ny sampandraharahan'ny fananan-tany ny vola mitentina 591 750Ar saran'ny antontan-taratasy sy ny famindrana ny anaran' ny tompon'ny tany. Ny praiminisitra lefitra tamin' izany fotoana no Reboza Julien no nanasonia ny taratasy famarotana.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT