MPANAO VAKANSY HIAZO AN'I MAHAJANGA

Ny mandeha amin'ny andro atoandro no tsara indrindra


  • Talata 12 Aogositra 2025

Mitombo isa hatrany ireo fiara mifamezivezy any amin'ny lalam-pirenena amin'izao volana

Aogositra ivon'ny vakansy lehibe izao. Mbola mitana ny lohalaharana amin'izany hatreto ny miazo an'i Mahajanga izay marihina fa tena betsaka tokoa na ho an'ireo mandeha taxi-brousse izany na ireo mitondra ny fiarany manokana. Ho an'ity farany manokana dia manoro hevitra ny amin'ny tokony handehanana amin'ny andro atoandro hatrany Ranaivoson Fidy, mpitantana ny tobim-piantsonan'ny Gara Maki Andohatapenaka. Mba hahafahana mitandrina amin'ny lalana no antony hoy izy ary koa hanamorana ny fitadiavana vahaolana raha satria ka misy zavatra mitranga. Raha miainga eto Antananarivo amin'ny 09 ora maraina ny fiara iray hoy izy dia tafiditra any Mahajanga amin'ny 10 ora alina. Afaka matory avy hatrany ny mpianakavy hoy izy rehefa tonga any an-toerana ary miatrika ny fialan-tsasatra amim-pifaliana manomboka ny ampitso. Raha mandeha amin'ny alina indray hoy izy dia ekena fa mety tsy very fotoana saingy rehefa tonga any Mahajanga rahampitso amin'ny 10 ora maraina rehefa niala teto Antananarivo tamin'ny 06 ora hariva dia tsy maintsy ho reraka ihany ka handray fandriana, mitovy amin'ny olona nandeha atoandro ihany. Notsiahiviny manokana moa fa saika avy amin'ny fitondran-tenany mpamily avokoa no mahatonga ny 80%-n'ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika. Tafiditra ao anatin'izany ny fisehosehoana ho manana fiara tsara sy matanjaka raha oharina amin'ny hafa ka mandeha mafy. Eo ihany koa ny fandraisana zava-mahadomelina sy ny fisotroana zava-mahamamo. Miantso ireo mpamily te-hifaninana amin'ny hafaingam-pandeha eny an-dalana araka izany ny tenany mba hanatona ireo toerana voatokana ho amin'izany fa tsy sanatria hilalao aim-bahoaka.
Pati
Légende : Aleo mandeha amin'ny atoandro raha hivoaka ny Faritra hanao vakansy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • JIRAMA
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Handatsaka orana artifisialy

  • Voaheloka sy mbola
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

misy dosie goavana i Marie Michelle

  • FAHARETAN’NY
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

PASIPAORO HO 10 TAONA

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

Hijery ny tohiny
FTT