Mpanao gazety

Nitory an’ireo zandary nanao herisetra


  • Alakamisy 02 Oktobra 2025

Niray hina nirohotra teny amin’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany

Anosy ny mpanao gazety maro omaly taorian’ny fanambarana nataon’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara na ny OJM manoloana ny herisetra samihafa nataon’ny mpitandro ny filaminana nahazo ny mpanao gazety nanomboka ny 25 septambra teo. Fikasihan-tanana, famotehana fitaovana, fidarohana tamin’ny lakrimozenina,… no anisan’ny endrika nisehoany. Farahafahakeliny 4 ny fitarainana voaray momba izay hatramin’ny nanombohan’ny fihetsiketsehana, raha ny fanamarihan’ny Filohan’ny OJM Rtoa Monica Rasoloarison. Niantefan’y fitoriana ny zandary avy eo anivon’ny G-SIS sy ny FIGN, izay voatondro ho nanao ny herisetra. Eo anatrehan’ny zava-misy, mitaky fifonana sy fialan-tsiny ampahibemaso avy amin’ny zandarimariam-pirenena ny mpanao gazety. Mitaky ny hanaovana fanadihadiana hoe : iza no nanao an’ireny, ary handraisana fepetra. Miantso fanambarana hanomezana antoka na « lettre d’engagement » hanaja ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety sy hampitsahatra mazava ny hiarovana ny mpanao gazety manao ny asany. « Manameloka ny herisetra, voararan’ny lalàna ny herisetra, manana zo ho arovana amin’ny fanatanterahana ny asany », hoy ny Filohan’ny OJM nanamafy. Nanome tànana maimaimpoana ny mpanao gazety ireo mpisolovava ao amin'ny "Pool d'avocats bénévoles" Gen-Z, izay naneho firaisankina sy vonona hanohanana ara-pitsarana. Mpisolovava 15 mianadahy, miparitaka manerana ny faritra maro eto Madagasikara moa no mpikambana ao anatin’io vondrona mpisolovava mirotsaka an-tsitrapo io.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT