Tsy dia misy maha samihafa ny mpanao gazety sy ny skoto, hoy ny vazivazy zaritanany iray izay.
Mipetraka foana ny sata maha mpanao gazety ny mpanao gazety iray rehefa in-dray mandeha tafiditra tao anatin’ity tontolo ity. Mbola mpanao gazety, ohatra, ireo minisitra sasany teo aloha saingy noho ny andraikitra hafa nilan’ny firenena azy dia voatery nampiato ny adidy maha mpanao gazety azy izy ireo tamin’ireny fotoana ireny. Toy izany koa ny minisitra sasany ankehitriny sy ireo tompon’andraikitra ambony sasany ao anaty fitondrana amin’izao fotoana izao. Efa nampanongo tena hatrany ny nahita ireo namana mpanao gazety sasany, izay sady mpitantana orinasan-tserasera rahateo, nifamaly an-gazety sy nifanala baraka an-gazety tao anatina andro maromaro teo aloha kely teo saingy efa hitam-poko hitam-pirenena moa ilay izy ka tsy hita intsony izay nanafenana azy. Hatairana indray koa iny omaly ny nahita lahatsoratra an-gazety izay toy ny maneho ny hafalian’ilay mpanao gazety nilaza fa tsy ho an’asa intsony ny namany atsy ho atsy. Dradraina sy entanina hatrany, indrindra, rehefa 3 mey ny mba tokony hanamafisana ny firaisankinan’ny mpanao gazety Malagasy saingy raha ny hita tao anatin’ny fitondrana nifandimby aloha dia tsapa ho misy miezaka mihitsy mampisara-bazana sy manao fitaovana ny mpanao gazety Malagasy mba hahatongavana hatrany amina tanjona politika.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.