Natao famotorana omaly, ary mbola notazomina eny amin'ny Toby Ratsimandrava ny mpanao
gazety Mickaelys Kamy Ndiamahazo, rehefa nakarina avy any Toamasina nentina hohadihadiana eto an-dRenivohitra. Vesatra hanenjehana azy, hoy ny lohom-baovao, ny famoahana sy fanapariahana vaovao mety hiteraka korontana. Tsy fantatra mazava io, fa raha ny resaka nataona depiote iray izay nanambara fa niresaka tamin’ny finday nialohan’ny nampiakarana azy teto an-dRenivohitra, dia famoahana vaovao mahakasika ny sambo sady hopitaly Mercy Ships no niantsoina azy natao fanadihadiana azy tany amin'ny zandarimaria tao Toamasina, ka izao nandefasana azy hanoizana ny fanadihadiana aty an-drenivohitra izao. Ny sambo Mercy Ships izay nandeha ny vaovao samihafa milaza fa tsy afaka hanohy ny fijanonany eto sy ny fitsaboana noho izy voalaza fa mbola tsy fisian’ny fahazoan-dàlana na « protocole d’accord ». Andaniny anefa dia nisy manam-pahefana nandray sy nitsidika, ary ny Filoham-pirenena aza dia efa niditra ihany koa tao anatin’io sambo io. Tsy mbola misy kosa vaovao ofisialy avy amin’ny Fanjakana manodidina ity sambo ity hoe : ahoana marina ny fandehany ? Tsy vao sambany ihany koa mpanao gazety Kamy Ndiamahazo no tratry ny fanenjehana sy natao famotorana ka dia andrasana ihany koa ny tohiny sy ny fanazavana ofisialy momba ny fanenjehana azy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.