Nampanantsoin'ny borigadin'ny zandary misahana ny heloka be vava tao Toamasina, ity mpanao gazety miasa eo anivon'ny vondrona "La Verité - Ino Vaovao Toamasina",
noho ny vaovao navoakany tamin'ny "facebook" mikasika ilay sambo nitondra jirofo voalaza fa rendrika tany amin’ny fari-dranomasin’i Soanierana Ivongo, mahabe resaka tato ho ato. Ny depioten'i Mananara Avaratra no mpitory, fa "nanala-baraka azy izany ilay lahatsoratra sy ny voalaza ao anatiny". Raha nanontaniana mikasika ity raharaha ity ny lehiben'ny zandary ao Toamasina, dia nilaza izy fa "affaire délicate" izy ity ka izay no nametrahana ny fanadihadiana tamin'ny borigadin'ny zandary misahana ny heloka be vava. Tamin'ny 2ora sy sasany ny fiantsoana anaovana ny fanadihadiana, tamin'ny 3ora vao nanomboka izany ary tsy nifarana raha tsy ora roa sy fahefany aty aoriana, izany hoe tamin'ny 5ora sy 15mn. Tsy nohazonin'ny zandary aloha ity mpanao gazety ity, fa mbola navela hody. Ho hita eo ny tohin'ny raharaha, satria tao anatin'ny herintaona izao dia ity no fiantsoana mpanao gazety tao Toamasina hiatrika fanadihadiana teo anivon'ny zandary sy ny miaramila. Nanohana ny namany ireo mpikambana miaraka aminy ao Toamasina sy ireo mpanao gazety mpiara-miasa aminy ihany koa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.