Actualités

Mpanao gazety Arphine Helisoa Hiakatra fampanoavana anio


  • Sabotsy 04 Aprily 2020

Nampanantsoin’ny Sampana miandraikitra ny “Cybercriminalité” i Arphine Helisoa (Arp Helisoa) mpanao gazetin’ny Valosoa omaly,

 

 

 

 ary notanana avy hatrany tao amin’ny Sampana misahana ny heloka bevava na ny BC etsy Anosy. Notorian’ny fitondram-panjakana ny tenany ka vesatra hanenjehana azy amin’izany ny faniratsirana ny Filoham-pirenena. Zavatra navoaka tany amin’ny tranonkala na siteweb an’ny gazety valosoa moa no voalaza nisian’io faniratsirana ny Filoham-pirenena io. Hiakatra fampanoavana avy hatrany anio 4 aprily amin’ny 9ora, ka ny Maitre Willy Razafinjantovo na Olala no re fa hiantsoroka ny fiarovana azy. Nanambara omaly ny filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety Gerard Rakotonirina fa tratry ny fanararaotam-pitokisana I Arphine satria olona nanankinana ny fitantanana ilay tranokala no namoaka zavatra tsy nifampierana tao; ny faha 22 n’ny volana martsa no efa tsy namoaka vaovao intsony ny Valosoa ary azo porofoina izany, hoy izy.Amin’izao fiatrehana ny Coronavirus izao ve dia mbola hifanenjika toa izao ihany no atao asa eto, hoy ny filohan’ny OJM.Efa fantampantatra ihany ny olona ao ambadik’izao fanenjehana mpanao gazety izao araka ny filazan’i Gerard Rakotonirina omaly.Andrasana anio ny ho tohin’ity raharaha fanenjehana mpanao gazety ity.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT