Actualités

Mpanao gazety 2 any am-ponja Mba nanokafana fanadihadiana ve ny mpitory azy ireo ?


  • Talata 22 Jolay 2014

Niafara tamin’ny fampidirana am-ponja mpanao gazety ny fandrahonana nisesy nataon’ny fanjakana izay nihamafy taorian’ny niverenan’ny filoha avy any Vatikana farany teo. Rahaga Jean Luc talen’ny famoahana sy Didier Ramanoelina, tonian-dahatsoratra ao amin’ny gazety Madagascar Matin no niharan’ny fanenjehana fa hoe nanala-baraka sy namoaka vaovao an-gazety tsy nisy porofo.

. Fanenjehana izay nokilasiana ho heloka bevava avy hatrany hanamora ny fampidirana am-ponja azy ireo. Nampanantsoina vao maraina teny amin’ny sampan’ny zandary manao fikarohana heloka bevava Fiadanana izy roalahy ary efa ny hariva vao tafavoaka teny. Nalefa teny amin’ny fampanoavana avy hatrany taorian’izay ary dia nalefa eny Antanimora. Satria ve minisitra ireo mpitory ? Fanehoan-kevitr’olona momba ny boaderôzy no niandohany. Enim-bolana nijoroana ny Repoblika fahefatra, roa sahady ny mpanao gazety any am-ponja. Nialoha azy roalahy dia efa nisy mpanao gazety iray vondron’orinasa amin’izy ireo ihany koa notoriana solombavambahoaka tany Toamasina ny herinandro lasa teo, noho ny filazana fa fanalam-baraka tamin’ny vaovao navoakan’io mpanao gazety io tamin’ny facebook. Afaka nanao fanitsian-dahatsoratra ireo mahatsiaro ho voatohintohina an-gazety saingy nisafidy ny nitondra ny raharaha any amin’ny Fitsarana avy hatrany izy ireo. Koa satria ny marina no tiana hivoaka matoa izay no izy, ka dia mipetraka eto ny fanontaniana hoe mba nanokafana fanadihadiana ve ny mpitory ireto mpanao gazety ireto, sa ampy hampisinda ny ahiahy ny fitoriana napetrak’izy ireo ? Nirongatra izaitsizy ny trafikana boaderôzy hatramin’ny fiandohan’ity 2014 ity izay, saingy mijanona ho fitanisana sambo tratra tany ivelany any sy ny lanjan’entana hatrany ny raharaha fa tsy misy fisamborana. Any ivelany anefa, ho fanajana ny etika, dia mametra-pialana avy hatrany ny depiote na minisitra voatonona an-gazety fa tafiditra amina trafika na raharahan-kolikoly fa tsy miandry hoesorina na fitsarana azy akory ! Hiakatra fitsarana rahampitso alarobia moa ity raharaha nitazonana am-ponja mpanao gazety roalahy ity ka fotoana angamba izao hivoahan’ny marina manodidina ity fanaovana tantely afa-drakotra ny andramena Malagasy ity, fa tsy ny fanapenam-bava ny mpanao gazety lava izao no vahaolana. Ny tantara rahateo no milaza fa tsy nisy fitondrana managadra mpanao gazety naharitra izany teto e !

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT