Actualités

Mpanankanto avy any Atsimo Hanao tolo-tanana amin`ny kere


  • Alatsinainy 23 Novambra 2020

Mba hahafahana manohana ny ezaka efa ataon’ny fitondram-panjakana amin’ny

 

 

 

ady amin’ny kere dia hanao fampisehoana goavana eny amin’ny Batou beach Ambohimanambola ny mpanakanto maro amin’ny 29 novambra ho avy izao. Tolo-tanana no hatao amin’izany ka hividianana vary, mangahazo,…..ny vola azo rehetra,izay hatolotra ny BNGRC aorian’izany ny fizarana sy ny fitsinjarana azy. Mpanankato maro no ho avy haneho ny talentany mandritra izany toa an’i Onja Tinondia, Tsiliva, Manaly, hotronin-dry Jaojoby Eusèbe…. Ny fikambanana Sahiry no hikarakara ny hetsika izay nanamafy ihany fa efa mahamenatra loatra ny kere any Atsimo noho izy mpiseho isan-taona ka ilana vahaolana maharitra. Hisy ihany koa moa mandritra io fotoana io ny fanangonan’ny fikambanana izay fohy toy ny lamba, kiraro, akanjo hatolotra ho an’ireo havana lasibatry ny kere any Atsimo. Tsiahivina moa fa mbola misy amin’ireo mponina any an-toerana no mbola tsy nahazo ny anjara fanampiany hatreto hoy hatrany ity fikambanana ity na dia efa manao izay ho afany aza ny BNGRC. Ny any amin’ny Fokontany no tena lasibatra amin’izany koa hangatahin’izy ireo ny hanankinana an’izany amin’ny olona mahatoky hisorohana ny loza mety hitranga

 Pati sy Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT