MPANAMPY AN-TRANO VAO 15 TAONA

Naolan’ny mpampiasa azy efa 64 taona


  • Alakamisy 27 Febroary 2025

Mitohy hatrany ny fanolanana sy herisetra hatao amin’ireo zaza amam-behivavy eto amintsika.

Zazavavy kely iray, mpanampy an-trano vao 15 taona monja no fantatra fa naolan'ny mpampiasa azy efa 64 taona. Ny alin'ny 21 Febroary teo no nanaovan’ilay Rangahy lehibe ny filan-dratsiny tamin’ity zaza teo ambany fiahiany ity. Tonga nitory teny amin'ny biraon'ny paositry ny zandarimariam-pirenena ao Fidirana ny Ray aman-drenin'ilay zaza ka nosamborina natao famotorana avy hatrany ilay Raim-pianakaviana. Natao koa ny fangatahana fizahana ny toe-batan'ilay zazavavikely tao amin'ny dokotera mpitsabo. Samy monina ao amin'ny Kaominina Fidirana Distrikan'i Mandoto Faritra Vakinankaratra avokoa izy ireo. Tsiahivina moa fa mafimafy kokoa ny sazy mahazo ireo olona tokony ho Ray aman-dReny hitaiza sy hanabe nefa mivadika lasa manolana tahaka izao.
Pati Legende : Ity ilay Raim-pianakaviana tsy mataho-tody !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanorenana ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

fandriampahalemana

  • Depiote Naivo Raholdina
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Voasambotry ny mpitandro ny filaminana…

  • Fanelezana vaovao
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

tsy marina, heloka an’habaka

  • Livasoa Randriatahinamalala
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

"Depiote miteny aho fa tsy depiote mihinana"

  • FAHALALAN'NY ASA
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

FANAOVAN-GAZETY

  • ZAVA-PISOTRO
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

MAMPATANJAKA VAOVAO

Hijery ny tohiny
FTT