Mpanampy an-trano iray no nampitaraina renim-pianakaviana iray fatratra tao anaty tambajotran-tserasera facebook.
Raha araka ny fantatra dia nalaina tamina agence iray teto an-drenivohitra izy io. Mody mipetraka iray volana amina tokantrano iray izy raha araka ny vaovao niparitaka dia milaza tsy tamana ary miala. Tsy nahatanty izany anefa ilay renim-pianakaviana iray nipetrahany farany ka nisava ny entany talohan’ny nandehanany. Zavatra maro no tratra tany aminy nandritra izany toy ny akanjo sy lamba eran’ny kitapo babena, finday efa vaky ny ecran-ny, sy firavaka maro samihafa izay tsy fantatra mazava na volamena na irony miloko ranom-bolamena irony fotsiny. Betsaka tamin’ireo olona nahita ity vaovao ity moa no nilaza fa tokony hogadraina ilay mpanampy an-trano raha nisy ihany koa ireo niteny fa sao dia tsy nangalatra izy fa fananany kely mba nangoniny ireo. Na izany na tsy izany anefa dia tsara foana ny malina rehefa manana mpanampy an-trano hisorohana ny fahaverezan-javatra na loza mety hitranga.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.