Hiakatra fitsarana eny Anosy anio alarobia 6 septambra amin’ny 8 ora maraina ny raharaha nahafatesana lehilahy iray mpanamory fiaramanidin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, izay maty tamin’ny volana desambra 2015.
Niahiahy tamin’ny nisian’ny famonoana niniana natao fa tsy toy ny fahafatesana rehetra ny fianakaviany ka nametraka fitoriana. Olona akaiky ilay mpanamory ihany no nahiahian’ny fianakaviana ho namoa-doza. Efa nihemotra foana noho ny antony maro ny raharaham-pitsarana. Raha ny fanazavana hafa kosa dia herinaratra tamin’ny tamboho teo an-tokotany no nahafaty azy. Voalaza mantsy fa nahakitika ny tariby nisy herinaratra izy. Andrasana izay ho tohin’ny raharaha.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.