Actualités

MPANALA CEPE TAO AMIN’NY ZAP ALASORA Notolorana sakafo atoandro mafana avokoa omaly


  • Alarobia 02 Septambra 2020

Niavaka ny fizotry ny fanadinana CEPE omaly ho an’ny ZAP Alasora; distrikan’Avaradrano. Tsy nisy nanatitra sakafo atoandro intsony mantsy ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra rehefa nampilazaina mialoha fa horaisin’ny kaominina Alasora an-tanana avokoa izany notarihin’ny

 

Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy sy ireo mpanolon-tsaina miaraka aminy. Sakafo atoandro mafana niampy tsindrin-tsakafo no natolotra ireo mpiadina rehetra tamin’izany izay nahafaly ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra tokoa. Fihetsika iray izay nahafahana nisoroka ny mety ho fiparitahan’ny valan’aretina COVID 19 ateraky ny fitangoronana ihany koa. Nankasitraka feno ny sefo ZAP sy ny lehiben’ny foibem-panadinana rehetra araka izany ny Ben’ny tanana. Toraka izany koa ny solontenan’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena sy ireo malala-tanana nifanome tanana taminy. Mitentim-bidy 4 tapitrisa Ar ny lela-vola lany tamin’ity sakafon’ny mpanala CEPE tao Alasora ity raha ny fantatra raha mbola hodinihina kosa ny an’ireo mpanala BEPC hoy hatrany ny Ben’ny tanana. Mikasika ny distrikan’Avaradrano manokana moa dia fantatra fa mbola betsaka ireo foibem-panadinana nampiaraka mpiadina roa tamina dabilio iray saingy na izany aza voahaja tsara ilay elanelana 1 metatra.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT