Actualités

Mpanakorontana ny asa fanaovan-gazety Nampitandrina ny minisitry ny serasera


  • Alarobia 18 Oktobra 2017

Ny vadina mpanao gazety dia tsy mpanao gazety, hoy ny minisitry ny fifandraisana, Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia, omaly raha naneho hevitra tetsy Tsimbazaza manoloana ny fisiana vadina mpanao gazety iray izay nolazainy fa tato ho ato dia nanao fihetsika sy teny manomboka manakorontana ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety eto amintsika.

Manao teny mahery vaika io vadina mpanao gazety io ary mandrahona. Misy mihitsy aza, hoy ny tenany sary maneho ity nolazainy ity mitondra basy am-balahana. Miantso io vadina mpanao gazety io aho, hoy izy, amin’ny maha tompon’andraikitra voalohan’ny serasera ahy mba hipetrapetraka kely fa manomboka manamaimbo ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety. Raha mbola manohy ny ataony kosa izy dia hohenjanina amin’ny lalàna. Noho ny fisian’ny lanonam-panokafana ny fivoriana parlemantera omaly moa dia anio maraina no hamangy ireo mpanao gazety nahitana soritr’aretina pesta ny minisitra tompon’andraikitra, raha ny nambarany. Ny vadin’i Lalatiana Rakotondrazafy (Free FM) moa ity nahazo fampitandremana tamin’ingahy minisitra ity.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT