teo aloha ny sain’ny mpanara-baovao ka lasa «maloto saina»!»
Mampalahelo fa tena efa nosimbain’ny fitondrana teo aloha ny sain’ny mpanara-baovao ka lasa «maloto saina» ny mpaneho hevitra sasany eto amin’ny Facebook, hoy ny mpanakanto Kougar tao amin’ny tambazotran-tseraserany omaly. Manoloana ny horonantsary mampiseho ny fisavàna ny entan’ny Kolonely Michaël sy ny vadiny teny Ivato dia nihôgahôga ny fako hoe «cinéma io e!», «tournage-na film e!», «fanambakàna saim-bahoaka e!» ary ny toy izany rehetra, hoy izy. Ao koa ireo mpaneho hevitra miana-kendry sy mba te hiseho ho manan-tsaina ka mandefa fisainana lavitra be milaza hoe «manipulation e!», « démagogie e!». Tsy mahita afa-tsy ny lafiny ratsy intsony ny sasany fa dia kizitin-dava eny. Hoavy daholo izao ny «mpamakafaka polifika». Ny malagasy rahateo «mora manadino» hoy i Dadabe Ratsiraka izay. Mba tadidintsika ve fa ny naka sary ny valizin’i Rajoelina fotsiny ka nampigadra vao tsy ela akory izay? Efa navalon’ny tolona izany rehetra izany. Vaovao ny taona ka am-pitsikitsikiana no nandraisan’ny Kolonely Michaël ny fisavàna azy. Maro ny hafatra mafonja azo tsoahina fa miisa 7 amin’ireny no tanisaintsika. Voalohany ny fampisehoana ohatra tsara. Ny faneken’ny filoha ho savaina dia maneho fahavononana hampiseho ohatra tsara ho an’ny rehetra, hatrany ambony ka hatrany ifotony. Faharoa, tsy misy olona ambonin’ny lalàna. Manomboka izao dia dia mitovy eo anatrehan’ny lalàna ny rehetra, na olon-tsotra, na mpitondra, na tomponandraikitra ambony. Fahatelo, manamora ny asan’ny fadin-tseranana amin’ny fisavàna ny olom-panjakana rehetra iny fisavàna ny entan’ny filoha mivady iny dia azo heverina ho fanentanana ny mpiasan’ny fadin-tseranana eo Ivato hiasa tsara sy hisava tsy am-pihambahambàna ny entan’ireo tomponandraiki-panjakana rehetra, mety alaim-panahy hanafinafina zavatra tsy milamina any anaty entana sy ny toy izany satria ny filoha fara-tampony aza hitam-poko hitam-pirenena fa manaiky hosavaina ka ny aty ambany rehetra, noho izany, dia tokony hanaiky hosavaina koa. Mangarahara sy fahatokisan’ny vahoaka, maneho finiavana hampihatra mangarahara ny mpitondra. Manampy amin’ny fanarenana ny fitokisan’ny vahoaka amin’ny fitondrana sy ny andrim-panjakana satria hita maso fa tsy misy afenina. Fahadimy, ny fampianarana ny olompirenena hanara-dalàna. Nanome lesona ho an’ny rehetra ny filohan’ny fanavaozana, izay naneho fa tsy manala baraka akory ny fanajana fitsipika sy fanarahana ny lamina, fa rehefa manara-dalàna dia tsy tokony hosarotiny amin’ny fisavàna toy ireny. Fahaenina, ny fanamafisana ny fitoviana sy ny rariny. Nampiseho koa ny Kolonely Michaël fa na filoha na miaramila manam-boninahitra dia afaka manetry tena savaina toy ny rehetra. Mitovy zo sy adidy ny rehetra. Fahafito ny fanehoana ny fitondràna tsara tantana. Asehon’ity tranga ity fa ny fitondràna mendrika sy tsara tantana ary miady amin’ny kolikoly dia mifototra amin’ny fahatsoram-po sy ny fanajàna lalàna ary ny fifampitokisana. Izany no kolontsaina vaovao entin’ity fanavaozana eo amin’ny fitantanana ny firenena ity, hoy hatrany i Kougar.
Nangonin’i J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.