Actualités

Mpanakanto Dadilove Tra-doza teo am-pilalaovam-baolina


  • Alakamisy 12 Novambra 2020

Tra-doza teo am-pilalovam-baolina tao amin’ny kianja CAPJI Maroantsetra ny talata hariva teo ny mpanakanto, Dadilove, raha ny vaovao voaray.

 

 Nisilifatra teo am-pitondrana baolina ny tenany, raha ny tati-baovao hatrany ary naratra vokatr’izany. Tapaka ny teo amin'ny feny havanana. Efa noraisin’ireo dokotera ao Maroantsetra an-tanàna moa ny momba azy. Raha ny vaovao voaray omaly kosa dia nalefa notsaboina aty Antananarivo izy. Tokony hanao fampisehoana ao Mahalevona, Maroantsetra, moa ny tenany omaly ary ny alahady izao dia tokony hampirevy ao Ambodiamanga saingy nisy ity sampona tao anatina lalao ara-piralahian’ny samy mpanakanto ity moa, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.

 J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT