Actualités

Mpampivelona sy mpitsabo mpandidy Niampy 124 mianadahy indray


  • Talata 29 Jolay 2014

Niampy 124 indray ireo mpampivelona sy mpitsabo mpandidy eto amintsika. Mpianatra navoakan’ny INSPNMAD ny faran’ny herinandro teo izy ireo, nisalotra ny anarana Fitia, andiany fahadimy.

Teny amin’ny Lion d’or Anosiavaratra no nanatanterahana ny lanonana, notarihin’ny filoha mpanorina ny sekoly  Razanadrakoto Roland Albert. Nambaran’ity farany fa ezaka lehibe tokoa no nataon’ny mpianatra vao tonga tamin’izao tanjona izao izy ireo. Hatrany amin’ny taona voalohany mantsy no efa nanao fianarana asa ny mpianatra hatramin’ny taona fahatelo izay nahazoany ny mari-pahaizana licence. Nisy tamin’ireo mpianatra mihitsy, hoy ihany izy no efa nampiteraka ary voafehiny tsara izany. Efa nahita asa ny ankamaroan’izy ireo raha mbola hanohy fianarana kosa ny sasany. Ho an’ity sekoly ity manokana moa dia misy hatrany ny classe preparatoire ho an’ny mpianatra ho an’ireo maniry ny hanaraka lalam-piofanana tahaka itony mba hahafantarana na tena mety aminy tsara ilay asa na tsia.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT