Simba tanteraka ilay zaza
Taorian’ny fizahana nataon’ny dokotera dia hita fa simba tanteraka ilay zaza.
Raha ny fanazavana azo : rehefa tafandry daholo ny olona tao an-trano dia nosafosafoiny ilay zaza ary natsofony tany anaty fivavian’ilay voatavo tsy mifandraka ny tanany ka nitosaka ny ra. Ny talata teo no natolotra ny fitsarana ity ramose mpanolana, ka nidoboka am-ponja vonjy maika. Hentitra ny Chef d’ Escadron Tsiketa Janvier Parfait, komandin’ny kaompanian’ny Zandarimariam-pirenena ao Toliara, raha nitafa tamin’ny mapano gazety omaly, fa « ny fanolanana dia heloka be vava toy ny mangalatra omby, mamono olona ka tsy azo anaovana kabary ambany kily (raharaham-pihavanana) ».
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.