Actualités

Mpampianatra FRAM - Vohipeno Manao tohivakana ny fitakiam-bola


  • Alatsinainy 06 Jolay 2015

Tsy mbola tonga any am-pelatanan'ireo mpampianatra FRAM miisa 478 manerana ny fari-piadidiam-pampianaran'i Vohipeno hatramin'ny omaly ny karaman'izy ireo tao anatin'ny telo volana izay tokony haloan'ny fitondram-panjakana.

 

 

 Nanao fanambarana indray izy ireo ny sabotsy lasa teo fa raha tsy azony ato anatin'ny herinandro roa izany dia ny datin'ny 21 jolay hanatontosana ny fanadinana CEPE mihitsy izy ireo no hanao fitokonana faobe. Ankoatra izay dia nisy tamin'izy ireo ihany koa no nitaky ny vacation tsy mbola azony. Tokony hatambatry ny fanjakana izany, hoy izy ireo hahafahan'izy ireo manefa ny asany araka ny tokony ho izy amin'izao ankatoky ny fanadinam-panjakana CEPE izao. Raha tsiahivina, efa nilaza ny nandefa ny vola ny ministry ny fanabeazam-pirenena Rabary Paul tamin'ny alalan'ny minisitera tantaniny. Ny herinandro lasa teo izy no efa nilaza fa tsy ahiana ny momba io fitokonan'ny mpampianatra any Vohipeno io.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PRRM :
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Fitsarana mbola nolovaina tamin’ny Frantsay

  • AFERA BOEING
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

AN-DRAVATOMANGA

  • Fitantanan
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

-draharaham-panjakana

  • FAHATAPAHAN-JIRO RN 1
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

  • DADABE
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

RAKOTONDRASOA JEAN LÉON

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT