Mitsipaka marindrano ny filazan’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena Rabary Paul ny amin’ny tsy fahafahan’ny fanjakana mandray ireo mpampianatra FRAM miisa 75.000 manerana ny Nosy ireo mpampianatra FRAM mivondrona ao amin’ny ANEFFA
Azo atao tsara izany, hoy izy ireo raha tena mametraka amin’ny toerany ny fanabeazana ny fanjakana, ny mpampianatra izay loharano nipoiran’ireo olomanga maro teto amin’ny firenena. Hitohy hatrany ny tolona hataon’izy ireo. Anio Alarobia 10 Septambra dia hisy ny diabe hataon’izy ireo amin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena hihazo ny Antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza. Efa vonona hanohy ny tolona izahay, hoy ireto mpampianatra FRAM ireto ary tsy ny emmo reg mihitsy no hampihemotra anay. Tanjon’ny hetsika ny hitadiavana solombavambahoaka eny Tsimbazaza afaka hamaha ny olana amin’ny maha solombavambahoaka azy ireo. Famerenana ny volavolan-dalàna ho fanatsarana ny tontolon’ny fampianarana sy ny fankatoavana ny tenin’ny Filoham-pirenena amin’ny tsy handoavan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra saram-pidirana ary ny fandraisana ireo mpampianatra Fram rehetra manerana an’i Madagasikara araka ny tenin’ny Filoham-pirenena no tena ilana fihaonana amin’ireo solombavambahoaka eny Tsimbazaza ireo, hoy ihany ny filohan’ny ANEFFA. Hiaraka amin’ny ray aman-drenin’ny mpianatra izy ireo mandritra izany ankoatra ireo mpikambana ao amin’ny sendika.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.