Actualités

Mpampianatra FRAM tao Andramasina Nokarakarain’ny CNaPS


  • Alakamisy 04 Septambra 2014

Taorian’ny faritra Analanjirofo dia nidina ifotony teo amin’ny faritra Analamanga ny ekipan’ny CNaPS mitety vohitra ny herinandro lasa teo, ka nahazo tombony manokana tamin’izany ireo mpampianatra FRAM ao anatin’ny Distrikan’Andramasina.

. Naharitra 02 andro ny fandraisana an-tànana ireo mpampianatra FRAM iantohan’ny fanjakana na ireo ENF (Enseignants Non- Fonctionnaires). Nisy tamin’izy ireo no sambany vao hiditra mpikambana CNaPS ka dia nofenoina nandritra ny guichet forain ireo antontan-taratasy maro isan-karazany momba izany ary nozaraina teo noho eo kosa ny karatra maha-mpikambana eo anivon’ny Tahirim-pirenena. Rehefa tojo fahasahiranana ny mpiasa dia izay no ilàna ny Fiahiana ara-tsosialy izay tsy inona fa ny fanampiana ny fianakaviana (volan-jaza, volan’ny bevohoka,sns), ny solo-takaitra ho an’ny voan’ny loza am-perin’asa (satria dia betsaka amin’ireo mpampianatra FRAM no miasa ambanivolo ka mety tra-doza eny am-pandehanana hamonjy sekoly) ary ny fisotroan-dronono (satria ireo mpampianatra FRAM dia mbola tsy mpiasam-panjakana raikitra dia mandray fisotroan-dronono amin’ny CNaPS).Ankoatry ny fizarana ny volan-jaza sy ny fampidirana mpikambana CNaPS ireo mpampianatra FRAM moa dia nohararaotin’ny mponin’Andramasina ihany koa ny fotoana nangalàna fanazavana momba ny tontolon’ny Fiahiana ara-tsosialy, ny Tahirim-pirenena sy ny asany ary ireo fanampiana atolony.  Fantatra nandritra ny fotoana ireo zo tokony raisin’ny mpiasa rehetra tsy an-kanavaka. Tsiahivina moa fa tsy angàlana na ariary aza  ny karaman’ny mpampianatra FRAM amin’ny latsa-kemboka fa ny fanjakana amin’ny alalan’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena no miantoka manontolo ny latsakembok’izy ireo eny amin’ny Tahirim-pirenena.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT