Actualités

Mpampianatra FRAM –Minisiteran’ny fanabeazam-pirenena Mihenjan-droa ny tady


  • Alarobia 27 Aogositra 2014

Tapitra tamin’ny alatsinainy teo ny fampitandremana 48 ora nomen’ny Fiarahamonina sivily SCA (Société Civile en Action) ny fanjakana hamaliana ny fangatahana nataony ka dia tonga natanjaka teny amin’ny tokotanin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena teny Anosy koa ry zareo omaly talata maraina nanatevin-daharana ny fitokonana efa natomboky ny Fram niaraka tamin’ny ANEFA ny alatsinainy.

Hitaky ny fampidirana zaza maimaimpoana an-tsekoly araka ny fampanantenana nataon’ny filoham-pirenena sy araka ny voalazan’ny lalàmpanorenana no fototra ho an-dry zareo. Mahatsiaro mangirifiry loatra ireo ray aman-dreny amin’izao ankatoky ny fidiran’ny mpianatra izao, hoy izy ireo nefa lasa fampanantenana poakaty ilay natao. Nanainga ny ray aman-dreny tsy handoa na ariary aza any amin’ireny sekolim-panjakana ireny ry zareo amin’ny fampidirana mpianatra ho avy. Aoka izay ny “promesse d’ivrogne”, hoy ny feo heno nanako dia nanako tetsy Anosy omaly. Hampidiro ho mpiasam-panjakana avokoa ny mpampianatra Fram rehetra. Tsy miala amin’ny teny nataony ny minisitera, hoy ny minisitry ny fanabeazam-pirenena Paul Rabary tamin’ny alalan’ny hafatra nampitaina tamin’ny haino aman-jery. 10 000 ihany aloha no zakan’ny fahefan’ny fanjakana hampidirina amin’ity andiany voalohany amin’ity taona ity, araka ny voasoratra ao amin’ny tetibolam-panjakana efa voahitsy, dia izay. Tsy horaisina kosa ireo efa mihoatra ny 45 taona, araka ny lalàna mbola manankery. Mbola mihenjana, araka izany, ny tady. Asa izay havoakan’ny ampitso ? 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT