Actualités

Mpampianatra FRAM Manambana ny hanafoana ny taom-pianarana 2014-2015


  • Alarobia 03 Septambra 2014

Mbola nitohy ny fitokonan’ireo mpampianatra FRAM omaly tetsy Anosy. Nisy ny fikasan’izy ireo hidina an-dalambe hihazo ny lalana Ampefiloha iny

Tsy tontosa anefa izany satria efa nisy ny fanakanana nataon’ny Emmo reg. Manoloana izany dia nilaza ireto mpampianatra  FRAM ireto fa raha sanatria tsy mivaly ny fangatahana  dia milaza ny hanao taona fotsy izy ireo. Toheriny ihany koa ny fitakiana diplaoma ambony amin’ny mpampianatra FRAM ary farafaharatsiny ny antsasaky ny mpampianatra no raisina. Ny minisitra anefa etsy an-daniny manizingizina fa tsy azo tanterahina ny fangatahin’izy ireo satria efa voafetra ny tetibola hampiasaina. Tsiahivina raha vao nandray ny toerana maha minisitra azy ingahy Paul Rabary dia nilaza mazava fa tsy mba hampiantso mpitandro ny filaminana emmo reg izany rehefa misy ny fitokonana ataon’ny mpampianatra fa hamela malalaka ireo izay hanao fihetsiketsehana. Ankehitriny, misy ny fitakiana dia ny tenany mihitsy no nampiantso ny emmo reg handrava ny hetsiky ny mpampianatra FRAM. Miha mafy hatrany moa amin’izao fotoana ny fitakiana ny fialan’ity minisitry ny fanabeazana ity, izay ambaran’ny ankamaroan’ny mpampianatra fa tsy hahavita hamaha ny olan’ny tontolon’ny fampianarana eto Madagasikara.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT