Actualités

Mpampianatra FRAM Hanao diabe ho eny Ambohitsorohitra anio ?


  • Talata 02 Septambra 2014

Niakatra ambony ny maripana omaly teo amin’ny fihetsiketsehan’ireo mpampianatra FRAM. Tsy nionona tao anatin’ny valan’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena intsony izy ireo fa dia nivoaka ka naka ny namany hafa

Nony niverina ireto mpampianatra FRAM ireto dia nandoro kodiarana roa manoloana ny vavahady fidiriana ao amin’ny minisitera, raikitra ny hiaka sy ny horakoraka. Minitra vitsy taorian’izay dia tonga ny Emmo Reg namono afo sady nanaparitaka ireo FRAM.

Hihamafy ny tolona

Nila vonjy tamin’ny Emmo reg ihany izany ny minisitra Paul Rabary na dia nilokaloka aza tamin’izy vao voatendry ho minisitra fa tsy mba izy mihitsy no haka Emmo reg izany ka handrava ny fitokonan’ny mpampianatra. Hihamafy ny tolona manomboka izao, hoy i Elidio Andrianjafy mpitarika ny hetsiky ny FRAM. Takianay ny handraisana ireo mpampianatra FRAM rehetra manerana ny nosy hoy izy. Tsy ekenay ny handoavana saram-pidirana na saram-pisoratana anarana eny amin’ny sekolim-panjakana amin’izao fidiran’ny mpianatra izao satria efa tena sahirana ireo ray aman-dreny.10 000 ihany moa ny mpampianatra FRAM noheverin’ny fanjakana fa horaisina amin’ity taona ity raha toa ka 75 000 isa izy ireo manerana ny nosy. Tsy tokony hisy sivana na fanavakavahana ity resaka ity fa raisina avokoa rehefa mpampianatra FRAM, hoy ny fitakiana tetsy Anosy omaly. Santatra am-bavarano ihany ary efa fambara ny omaly fa tsy maintsy hihamafy ny tolona raha toa ka manao be marenina ny fanjakana, hoy ny mpitarika ny mpampianatra FRAM.

Hiaka-dapa

Araka ny tsiliantsofina re omaly, ary mbola nohamafisin’ny fahitalavitra iray teto an-drenivohitra tao anatin’ny filazam-baovao ny alina dia mety hanao diabe hiakatra eny amin’ny lapam-panjakana Ambohitsorohitra ary tena hangataka fihaonana amin’ny filoham-pirenena mihitsy ireto mpampianatra FRAM ireto, raha toa ka tsy mahavaha ny olana ny minisitry ny fanabeazana. Iray volana mialoha ny fidiran’ny mpianatra dia tena mbola mikorontana ambony ambany ny tontolon’ny fampianarana eto amintsika  noho ity olan’ny pampianatra FRAM ity. Tsy azo atao anefa ny manilika azy ireo. Mila mitandrina ihany koa ny fitondram-panjakana fa tsy hampiasa ny herim-pamoretana indray hanapenam-bava ireto mpampianatra ireto satria ny olana eny amin’ny oniversite aza efa tsy hita izay hanaovana azy, dia mbola ampiana ny ambaratonga fototra sy faharoa indray ve ? Maro ny manahy fa tena mety hisy voka-dratsiny any amin’ny fidiran’ny mpianatra ity olan’ny FRAM ity raha tsy voavaha ato anatin’ny roa herinandro farafahelany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

  • JIRAMA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Misy olana ny TAC1,

  • Pr
  • Zoma 16 Oktobra 2026

Raphael Razakandrainy

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

ALASORA

  • KAOMININA
  • Zoma 16 Oktobra 2026

MIISA 6 AO AMBOHIDRATRIMO

  • Sarivongan’ny
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Filoha Tsiranana

Hijery ny tohiny
FTT