Mpampanofa vatana voasoloky

Nomen’ny sasany vola sandoka 1.420.000 Ar


  • Talata 29 Aogositra 2023

Efa tonga any amin’ireo mpampanofa tena ihany koa ny vola sandoka amin’izao.

Vehivavy iray mpanao io asa io any Ambondromamy, lalam-pirenena faha-4 no fantatra fa lasibatr’izany tamin’ity herinandro ity. Tonga nitaraina tany amin'ny polisy ity farany fa nisy nisandoka ary nanome vola sandoka mitentina 1. 420 .000 Ar. 20.000 Ar avokoa ireo taratasim-bola tamin'izany izay miloko manga no sady vaovaobe. Rehefa nozahana tokoa dia tratra tao an-tranony ireo vola sandoka ireo raha mbola mbola tsy hay kosa izay tena nahazoany sy niaviany izany. Notazonina vonjimaika teny anivon'ny biraon'ny Polisy ity vehivavy 33taona ity hanokafana fanadihadiana mandrapivoahan’ny tena marina. Tsiahivina moa fa tena miparitaka tokoa ny vola sandoka any amin’ny faritra amin’izao vakansy lehibe izao ka tokony samy ho mailo ny rehetra.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay vehivavy mpampanofa tena nahatrarana vola sandoka marobe tao an-tranony !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT