Mpamotika ala arovana

22 lahy voasambotra tany


  • Alarobia 23 Septambra 2026

Andranomilolo- Andapa

Tratra ambodiomby nandritra ny fanaraha-maso nataon'ny ekipan’ny Fitaleavam-paritra ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy SAVA niaraka tamin’ny Polisin'ny FIP ireo mpamotika ala tao amin’ny faritra Andasimaninitsy, Fokontany Andranomilolo, Kaominina Ambanivohitra Andranomilolo, Distrikan’Andapa, izay tafiditra ao anatin’ny Ala Arovana COMATSA, ny vatan-dehilahy miisa 22. Sady manao asa fangadiam-bolamena izy ireo no mitevy ala tsy ara-dalàna. Nandritra ny fidinana ifotony dia nahitana hatrany ny fisian’ireo asa ataon’olona izay mety hanimba ny tontolo iainana sy hampihena ny velaran’ala. Nanao tantsoroka ity hetsika fanaraha-maso ity ny WWF. Tanjona ny hanamafisana ny fanaraha-maso sy ny fiarovana ny harena voajanahary, indrindra ny ala ao anatin’ny faritra arovana COMATSA. Eo am-pelatanan’ireo tompon’andraikitra mahefa ny raharaha mahakasika ireo olona 22 tratra ireo.
Jean D.
Eo ampelan-tanan'ny manampahefana ireto mpanimba ala arovana ireo
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT