MPAMONJY VOINA ETSY TSARALALANA

Nampahafantatra ny asany tamin’ny ankizy mpianatra


  • Zoma 07 Febroary 2025

Mbola betsaka amin’ireo ankizy mpianatra no tsy mahalala ny asan’ny mpamonjy voina sy ny tena

antom-pisiany marina. Miezaka mandray ireo sekoly tonga mandalo ao aminy ny etsy Tsaralalana ankehitriny ka anisan’ny tazana teny an-toerana omaly Alakamisy 06 Febroary ny mpianatry ny sekoly Alliance Francaise avy eny Antsobolo. Nisy ny fanentanana nataony tamin’ny mpianatra nandritra izany mba tsy hilalao eny amoron-drano na hikitikitika ireo karazana kojakoja mitondra herinaratra ao an-tokantrano ao izay tena mitera-doza amin’ny fotoana tsy hampoizina tokoa. Anisan’izany ny fahamaizan’ny trano sy ny fahafatesana anaty rano. Nofaranana tamin’ny fampahafantarana ny mpianatra ireo asa sahanin’izy ireo mandritra ny famonjena ain’olona latsaka an-drano na famonoana afo mandritra ny haintrano mitranga ny fihaonan’ny roa tonta izay tena nahaliana ireo kilonga madinika tokoa.
Pati
Legende : Nandritra ny fanentanana natao tamin’ireo mpianatra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT