MPAMONJY VOINA ETSY TSARALALANA

Hanome ra, hizaha fahasalamana maimaimpoana


  • Alarobia 30 Aprily 2025

Ny lafiny ara-pahasalamana no tena olan’ny ankamaroan’ny Malagasy

amin’izao ankoatra ny resaka sakafo. Saika tsy manana fahafahana ny hitsabo tena intsony mantsy ny rehetra noho ny hasarotan’ny fiainana. Mafy ihany koa ny mitady ra ho an’ireo manana ny tsy salama nandalo fandidiana ... Vitsy anefa ireo manome izany ho an’ny CNTS etsy amin’ny hopitaly HJRA izay mila 160 paosin-dra isan’andro raha kely. Noho ireo antony ireo no nanosika ny Sampana mpamonjy voina etsy Tsaralalana hanome ra maimaimpoana sy hanatanteraka fizaham-pahasalamana maimaim-poana amin’ny Sabotsy 03 May ho avy izao manomboka amin’ny 09 ora maraina. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny sampana mpamonjy voina izay homarihina ny Alahady 04 May ho avy izao izany. Ankoatra ireo voalaza ireo moa dia hisy ihany koa ny fanalana nify maimaim-poana izay efa mahatratra 20.000 Ar ny manala ny iray amin’izao, ny fampafantarana ny mpianatra sy ny tanora ny vonjy voina, fampisehoana ny fomba famonoana afo sy ny vonjy aina, fizarana mari-pahaizana ho an’ny mpianatra, fizarana amboara….
Pati
Legende : Azon’ny rehetra hatao ny manatrika ilay varavarana misokatra tahaka izao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanirisoa Ernaivo
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Tsy misy valifaty politika !

  • Fitsarana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

mangarahara sy manakaiky vahoaka

  • KAOMININA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANTANANARIVO RENIVOHITRA

  • Trafika
  • Zoma 02 Oktobra 2026

sokatra radiata

  • Taom-pahavaratra 2026-2027
  • Zoma 02 Oktobra 2026

  • AMPITATAFIKA
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ATSIMONDRANO 2 taonina isan'andro ny fako

Hijery ny tohiny
FTT