Actualités

Mozea Raketamanga Vehivavy 68 notolorana mari-pankasitrahana


  • Talata 09 Martsa 2010

Niavaka ny fankalazana ny andro iraisam-pirenen’ny vehivavy tetsy Avaratra Ankatso misy ny mozea Raketamanga. Fanolorona maripa-kasitrahana ireo andriambavilanitra niasa mangina kanefa nahavita be teto amin’ny firenena no nanamarihana izany.

Nisy ny fifantenana mialoha notontosain’ny Cabinet Raketamanga ka andriambavilanitra miisa 68 no nahafeno ireo fepetra ary nomena ny mari-pankasitrahana avy amin’ny International Council of Museum. Ny mampiavaka azy ireo, araka ny nambaran-dRtoa Lalao Raketamanga, dia samy vehivavy nandray sy mandray andraikitra ary nahavita zavatra miavaka teo amin’ny sehatra misy azy avy izy ireo kanefa tsy misy mpahalala firy. «Mozea antoky ny fiaraha-monina mirindra no  hevitra voizin’ny International Council of Museum amin’ity taona  2010 ity. Mifanojo amin’ny asa vitan’ireo vehivavy mendrika ireo izany ka rariny raha nomen’ny mozea fankasitrahana izy ireo. Ny vehivavy tokoa mantsy dia efa tahirim-bakoka voajanahary”, hoy i Lalao Raketamanga. Nisy ihany koa nandritra ny fotoana ny fijoroana vavolombelona nataon’ny solontena tamin’ireo nomena fankasitrahana omaly. 

Yves   

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

  • Politika ao Nosy Be Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manamafy ny fitakiana PDS ny ARMA

  • Valéry Ramonjavelo
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Voatsipaka ny fangatahana

  • LEHILAHY
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

NISY FOFON-TOAKA

  • Nomen’ny ONU
  • Alarobia 23 Septambra 2026

ny hajany i Madagasikara

  • JENERALY
  • Alarobia 23 Septambra 2026

RAVALOMANANA RICHARD

Hijery ny tohiny
FTT