Morontsirak’i Madagasikara

Manomboka indray ny fahafatesana trozona lehibe…


  • Alarobia 19 Jona 2024

Trozona lehibe manodidina ny 9 metatra tombanana ho milanja 1 taonina mahery

no hita faty eto amin'ny morontsirak’i Kimony kaominina Bemanonga distrikan’i Morondava, omaly 18 jona 2023 tokony ho tamin’ny 3 ora maraina, raha ny vaovao avy any an-toerana. Ny mpanjono handeha hiandriaka maraina no nanaitra ny sefo fokontany, ka ity farany no nampilaza ny tompon'andraikitry ny Jono. Nidina teny an-toerana avy hatrany ireo teknisianina sady nanisy fanafody mba tsy ahafahan'ny mponina mikitika izany raha hatao ny fomba rehetra ahafahana handevina izany miaraky amin'ireo mponina eny an-toerana. Nanentana ny mponina hatrany ny Tale ny Jono fa tsy azo hanina ity trozona ity, hoy ny fampitam-baovao. Tsy vaovao ny fisiana trozona dobo sy maty tahaka izao hita aty amin’ny fari-dranomasintsika, ary manomboka volana jona tahaka izao hatrany amin’ny oktobra na novambra no matetika no ahitana izany. Tsy tena fantatra mazava ny antony mahafaty azy ireny, fa raha ny fikarohana tsotsotra nijerena fanazavana ara-tsiantifika, dia anisan’ny mety ho antony ny fandotoana ara-plastika sy ny akora simika any an-dranomasina. Mety ho lanin'ny trozona na miteraka aretina sy fivontosana aminy, ka miteraka ny fahafatesany. Eo ihany koa ny fiovan'ny toetr'andro sy ny tontolo iainana toy fiovan'ny maripanan'ny rano, ny fiovan’ny fikorianan'ny ranomasina na ny « courant océanique », ary ny fihenan’ny trondro noho ny fiovan'ny toetr'andro, izay mety hisy fiantraikany amin'ny loharanon-tsakafo ho an'ny trozona, manalemy azy ary mampihena ny fahafahany miaina.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

  • Michel Rabemahefa
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno ny maha Ambasadaoron’i

  • PDS
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Feno Ralambolamanana

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

"Cap sur l'île Sainte-Marie"

  • Hetsika
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

mialoha ny loza ara-toetr’andro

  • ANTANETIBE MAHAZAZA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Atody 300 000 isan'andro

Hijery ny tohiny
FTT