Lehilahy iray 21 taona no voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny CSP Morondava ny 09 mey lasa teo tany an-toerana noho ny famonoana an-dReniny izay niteraka azy.
Izy raha araka ny fantatra no tompon'antoka tamin’ny famonoana io reniny io noho ny antony tsy fantatra. Niezaka ny nandositra izy taorian’izao habibiana izay nataony izao. Taorian’ny fikarohana nataon’ny polisy miasa ao amin’ny CSP Morondava dia voasambotra ny 09 may 2020 tany amin’ny kaominin’ny Ankimony, distrikan’i Morondava ilay nahavanon-doza ary natolotra ny fitsarana omaly.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.